plt_tn/mal/02/17.md

1.1 KiB

Nandreraka an'i Yaveh ianareo

Yaveh dia voalaza toy ny fitondran-tenan'ny olona mety ho reraka, saingy Andriamanitra tsy afaka hampitombo ny hevitry ny arerahana ara-batana na ara-tsaina.Ity fanambarana ity dia mety midika izay nahatonga an'i Yaveh tafintohina na sosotra. D.H: "Nanafintohina an'i Yaveh ianareo."

Ahoana no nandrerahanay Azy?

Ity fanontaniana ity dia midika fandàvana izay ratsy rehetra efa vitan'ny olona. Azo lazaina ho fanambarana izany. D.H: "Tsy mbola nandreraka Azy tokoa izahay."

Tamin'ny fitenenana hoe

Ny hevitra feno eto dia, "nandreraka Azy tamin'ny fitenenana ianareo hoe." Ity dia valin-tenin'ny mpaminany amin'ny fanontaniana fampisainana.

eo imason'i Yaveh

Eto "eo imason'i Yaveh" dia midika "ny hevitr'i Yave."

Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?

Mametraka ity fanontaniana ity ireo mpisorona mba hanambarana izay tsy hikarakaran'i Yaveh na ny olona manao ratsy na tsy, na izay tsy mbola nanasaziany ireo mpanao ratsy. D.H: "Tsy ho sazian'Andriamanitra tokoa ny olon-dratsy!"

Andriamanitry ny fahamarinana?

Andriamanitra izay manasazy ireo mpanao ratsy fotsiny.