forked from WA-Catalog/plt_tn
747 B
747 B
Fa Yaveh Andriamanitra no masoandro sy ampinga
Yaveh izay mitarika sy miaro ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe masoandro sy ampinga. DH: "Fa Yaveh Andriamanitra no mitarika antsika tahaka ny hazavana avy amin'ny masoandro, ary Izy miaro antsika tahaka ny ampinga"
hanome fahasoavana sy voninahitra Yaveh
Ny anarana "fahasoavana" sy "voninahitra" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Ho tso-po amintsika Yaveh ka hanome voninahitra antsika"
izay mandeha amin'ny fahitsiana
Ny fomba fizotram-piainan'ny olona iray na fitondran-tenany dia lazaina toy ny hoe mamindra ilay olona. DH: "izay miaina amim-pahamarinana" na "izay mahitsy"
sambatra ny olona izay
Eto ny "olona" dia midika vahoaka amin'ny ankapobeny. DH: "sambatra ireo izay"