plt_tn/psa/033/010.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.

Yaveh manafoana

"Yaveh mandrava" na "Yaveh mamotika"

ny fifanarahan'ireo firenena

Eto ny "firenena" dia manondro ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "ny fifanarahan'ny vahoakan'ireo firenena samihafa"

fifanarahana

Ny fifanarahana dia fifanekena eo amina firenena roa na mihoatra mba hifanohana amin'ny ady amina fahavalo iraisana.

ny fikasan'ny olo-maro

"ny zava-kendren'ny vahoaka" DH: "ireo teti-dratsin'ny olo-maro"

ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka rehetra

Ny fiteny "maharitra" dia mahalaza. DH: "ny fikasan'ny fony dia maharitra ho an'ny taranaka rehetra"

ny fikasan'ny fony

Eto ny "fony" dia manondro an'i Yaveh. DH: "ny fikasany"

ho an'ny taranaka rehetra

"ho an'ny taranaka rehetra ho avy." Fomba fiteny midika hoe "mandrakizay" izany.

Sambatra ny firenena

Eto "ny firenena" dia manondro ny olon'ny firenena. DH: "Sambatra ny olon'ny firenena"

manana an'i Yaveh ho Andriamaniny

"izay manompo an'i Yaveh ho Andriamanitra"

ho lovany

Ny vahoakan'i Yaveh nisafidy hanompo Azy eto dia soritsoritana toy ny hoe lova izay noraisiny.