plt_tn/psa/033/010.md

44 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.
# Yaveh manafoana
"Yaveh mandrava" na "Yaveh mamotika"
# ny fifanarahan'ireo firenena
Eto ny "firenena" dia manondro ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "ny fifanarahan'ny vahoakan'ireo firenena samihafa"
# fifanarahana
Ny fifanarahana dia fifanekena eo amina firenena roa na mihoatra mba hifanohana amin'ny ady amina fahavalo iraisana.
# ny fikasan'ny olo-maro
"ny zava-kendren'ny vahoaka" DH: "ireo teti-dratsin'ny olo-maro"
# ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka rehetra
Ny fiteny "maharitra" dia mahalaza. DH: "ny fikasan'ny fony dia maharitra ho an'ny taranaka rehetra"
# ny fikasan'ny fony
Eto ny "fony" dia manondro an'i Yaveh. DH: "ny fikasany"
# ho an'ny taranaka rehetra
"ho an'ny taranaka rehetra ho avy." Fomba fiteny midika hoe "mandrakizay" izany.
# Sambatra ny firenena
Eto "ny firenena" dia manondro ny olon'ny firenena. DH: "Sambatra ny olon'ny firenena"
# manana an'i Yaveh ho Andriamaniny
"izay manompo an'i Yaveh ho Andriamanitra"
# ho lovany
Ny vahoakan'i Yaveh nisafidy hanompo Azy eto dia soritsoritana toy ny hoe lova izay noraisiny.