plt_tn/jdg/03/09.md

1.2 KiB

nanandratra olona mba ho tonga hamonjy ny vahoakan'Israely i Yaveh

Ny fanendren'i Yaveh olona hanao ny asa manokana dia resahina toy ny hoe nanandratra na nanangana olona i Yaveh.

Otniela ... Kenaza

Adikao tahaka nandikanao azy tao amin'ny 1:11 ireo anarana ireo.

nanome hery azy

Izany andian-teny izany dia midika hoe nanampy an'i Otniela hanana sy hampivelatra ny hatsarana izay ilainy mba hahatonga azy ho mpitarika lehibe i Yaveh.

nitsara an'i Israely ... izy

Eto ny hoe "nitsara" dia midika hoe nitarika ny vahoakan'Israely izy.

nivoaka tany amin'ny ady izy

Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Otniela izay nisolo tena ny tafik'Israely. DH: "Nandeha hiady amin'ireo tafik'i Kozana-Risataima i Otniela sy ireo miaramila Israelita"

Nomen'i Yaveh fandresena teo anatrehan'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Arama izy

Eto ny hoe "Kozana-Rasataima" dia ireo tafiny. DH: "Nanampy ireo tafik'Israely handresy ny tafik'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Arama i Yaveh"

Ny tanan'i Otoniela

Eto ny hoe "tanana" dia sarinteny izay midika hoe tafika. DH: "Ny tafik'i Otniela"

Nilamina ny tany

"Ny tany" dia nampiasaina mba ilazana ireo olona izay nipetraka tao amin'ilay tany"

efapolo taona

"40 taona"