# nanandratra olona mba ho tonga hamonjy ny vahoakan'Israely i Yaveh Ny fanendren'i Yaveh olona hanao ny asa manokana dia resahina toy ny hoe nanandratra na nanangana olona i Yaveh. # Otniela ... Kenaza Adikao tahaka nandikanao azy tao amin'ny 1:11 ireo anarana ireo. # nanome hery azy Izany andian-teny izany dia midika hoe nanampy an'i Otniela hanana sy hampivelatra ny hatsarana izay ilainy mba hahatonga azy ho mpitarika lehibe i Yaveh. # nitsara an'i Israely ... izy Eto ny hoe "nitsara" dia midika hoe nitarika ny vahoakan'Israely izy. # nivoaka tany amin'ny ady izy Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Otniela izay nisolo tena ny tafik'Israely. DH: "Nandeha hiady amin'ireo tafik'i Kozana-Risataima i Otniela sy ireo miaramila Israelita" # Nomen'i Yaveh fandresena teo anatrehan'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Arama izy Eto ny hoe "Kozana-Rasataima" dia ireo tafiny. DH: "Nanampy ireo tafik'Israely handresy ny tafik'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Arama i Yaveh" # Ny tanan'i Otoniela Eto ny hoe "tanana" dia sarinteny izay midika hoe tafika. DH: "Ny tafik'i Otniela" # Nilamina ny tany "Ny tany" dia nampiasaina mba ilazana ireo olona izay nipetraka tao amin'ilay tany" # efapolo taona "40 taona"