plt_tn/jas/03/05.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Toy izany koa
Io teny io dia manamarika ny fanoharana momba ny lela sy ny lamboridin-tsoavaly ary ny familian-tsambo voalaza teo amin'ny andininy teo aloha. DH: "Mitovy amin'izany koa"
# mihambo zavatra betsaka
Eto ny hoe "zavatra" dia teny amin'ny ankapobeny ilazana ny zavatra rehetra mampirehareha ireo olona ireo.
# Jereo ihany koa
"Hevero"
# ny hakelin'ny afo izay mandoro ala be
Mba hanampiana ny olona hahatakatra ny loza mety ho vitan'ny lela, dia miresaka momba ny loza mety ho vitan'ny afo kely i Jakoba. DH: "ny hakelin'ny afo izay mirehitra ka mandoro hazo maro"
# Ny lela ihany koa dia afo
Ny lela dia ilazana izay lazain'ny olona. Antsoin'i Jakoba hoe afo izany nohon'ny fahasimbana lehibe izay mety haterany. DH: "Toy ny afo ny lela" na "Izay lazain'ny olona dia mety hiteraka olona goavana toy ny afo"
# tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny ratsam-batantsika
Ny voka-dratsy goavana hateraky ny teny feno fahotana dia raisina toy ny hoe tontonlo mihitsy.
# Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo
Ny teny feno fahotana dia sarin-teny toy ny hoe manisy tasy ny vatan'olona iray. Ary ny hoe tsy azo ekena eo amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe misy loto eo amin'ny vatana.
# lalam-piainana. Arehitrin'ny helo ny tenany
Ny teny hoe "tenany" dia maneho ny lela. Ary koa, ny hoe "helo" eto dia maneho ny herin'ny ratsy na ny devoly. Azo atao hoe DH: "lalam-piainana satria ampiasain'ny devoly ho amin'ny ratsy izany"