# Toy izany koa Io teny io dia manamarika ny fanoharana momba ny lela sy ny lamboridin-tsoavaly ary ny familian-tsambo voalaza teo amin'ny andininy teo aloha. DH: "Mitovy amin'izany koa" # mihambo zavatra betsaka Eto ny hoe "zavatra" dia teny amin'ny ankapobeny ilazana ny zavatra rehetra mampirehareha ireo olona ireo. # Jereo ihany koa "Hevero" # ny hakelin'ny afo izay mandoro ala be Mba hanampiana ny olona hahatakatra ny loza mety ho vitan'ny lela, dia miresaka momba ny loza mety ho vitan'ny afo kely i Jakoba. DH: "ny hakelin'ny afo izay mirehitra ka mandoro hazo maro" # Ny lela ihany koa dia afo Ny lela dia ilazana izay lazain'ny olona. Antsoin'i Jakoba hoe afo izany nohon'ny fahasimbana lehibe izay mety haterany. DH: "Toy ny afo ny lela" na "Izay lazain'ny olona dia mety hiteraka olona goavana toy ny afo" # tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny ratsam-batantsika Ny voka-dratsy goavana hateraky ny teny feno fahotana dia raisina toy ny hoe tontonlo mihitsy. # Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo Ny teny feno fahotana dia sarin-teny toy ny hoe manisy tasy ny vatan'olona iray. Ary ny hoe tsy azo ekena eo amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe misy loto eo amin'ny vatana. # lalam-piainana. Arehitrin'ny helo ny tenany Ny teny hoe "tenany" dia maneho ny lela. Ary koa, ny hoe "helo" eto dia maneho ny herin'ny ratsy na ny devoly. Azo atao hoe DH: "lalam-piainana satria ampiasain'ny devoly ho amin'ny ratsy izany"