plt_tn/zec/10/04.md

1.1 KiB

Avy amin'izy ireo no hiavian'ny vato fehizoro

"Ho avy amin'izy ireo ny vato fehizoro." Ny mpanapaka manan-danja iray dia resahina toy ny hoe vato fototra lehibe amin'ny trano. DH: "Ny taranak'izy ireo sasany dia ho mpanapaka tena manan-danja"

avy amin'izy ireo no hiavian'ny fihantonan-javatra

"ho avy amin'izy ireo ny fihantonan-javatra." Ireo mpitarika lehibe dia resahina toy ny hoe fihantonan-javatra izay mihazona ny lay amin'ny toerany. DH: "ireo mpitarika izay hihazona ny firenena miaraka dia ho avy amin'izy ireo"

avy amin'izy ireo no hiavian'ny tsipìka fiadiana

"ny tsipìka fiadiana dia ho avy amin'izy ireo." Ireo mpitarika miaramila dia resahina toy ny hoe tsipìka izay nampiasaina tamin'ny ady. DH: "ireo mpitarika miaramila dia ho avy amin'izy ireo"

Ho toy ny mpiady

DH: "Ho mahery an'ady izy ireo"

izay manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady

DH: "izay nandresy tanteraka ny fahavalon'izy ireo"

ary hahamenatra ireo izay mitaingina soavalin'ady izy ireo

DH: "ary handresy ny fahavalon'izy ireo izay ambon'ny soavaly izay miady aminy izy ireo"