plt_tn/job/21/16.md

32 lines
1.6 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra :
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
# Indro, moa ve tsy eo an-tanan'izy ireo ihany ny fanambinan'izy ireo?
Ny "tanana" eto dia manondro ny hery na fahefan'izy ireo. Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hihantsiana ireo namany. DH: "indro, mihevitra ireo olona ratsy fanahy fa izy ireo no mampanambina ny tenan'izy ireo!"
# Impiry ... tonga eo aminy ny lozan'izy ireo?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...tonga eo aminy ny lozan'izy ireo."
# maty ny jiron'ny olona ratsy fanahy
Mampitaha ny fahafatesan'ny jiro amin'ny fahafatesan'ny jiro i Joba. DH: "fa Andriamanitra no nahatonga azy ireo ho maty tampoka"
# ny jiron'ny olona ratsy fanahy
Mampitaha ny fiainan'ny olona ratsy fanahy amin'ny jiro mirehitra i Joba.
# Impiry no mizara ... amin'ny fahatezerany Andriamanitra?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...amin'ny fahatezerany Andriamanitra."
# Impiry ...entin'ny tafio-drivotra?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...entin'ny tafio-drivotra."
# no tonga tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra na tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra
Ny fahafatesan'ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe akofa sy mololo tsy misy ilàna azy izay tsofin'ny rivotra izy ireo. DH: "Nentin'Andriamanitra tahaka ny fitsofan'ny rivotra akofa izy ireo"