forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.2 KiB
Markdown
24 lines
1.2 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:
|
|
|
|
Manohy ny famariparitany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
|
|
|
|
# Hafohezina ny dingan'ny heriny
|
|
|
|
Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy misedra loza tampoka toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy. DH: "Ho toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy"
|
|
|
|
# ny fikasany ihany no handrava azy
|
|
|
|
"ny heviny ihany no hamingana azy." Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy miaritra loza toy ny hoe mianjera. DH: "ny fikasany ihany no hitondra azy ho any amin'ny loza"
|
|
|
|
# Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty velam-pandrika iray izy
|
|
|
|
"Ny tongony ihany no hitondra azy ho ao anaty harato" Mampiasa io sarin-teny io i Bildada mba hilazana fa ny lalana hiainan'ny olona ratsy fanahy ny fiainany dia hitondra azy ho any amin'ny loza tsy ampoizina. DH: "Ho toy ny ny mitondra ny tenany ho ao anaty harato, no hizorany mahitsy mankany amin'ny vela-pandrika"
|
|
|
|
# harato
|
|
|
|
Kofehy na tady izay tenonin'ny olona mba hahazoana harato. Ampiasain'ny olona mba hisamborana biby ny harato.
|
|
|
|
# vela-pandrika
|
|
|
|
lavaka izay saromana rantsan-kazo sy ravin-kazo eo amboniny ka handeha eo ambon'ireo rantsana sy ravina ny biby iray ka dia ho latsaka ao anatin'ilay lavaka
|