# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny famariparitany ny olona ratsy fanahy i Bildada. # Hafohezina ny dingan'ny heriny Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy misedra loza tampoka toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy. DH: "Ho toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy" # ny fikasany ihany no handrava azy "ny heviny ihany no hamingana azy." Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy miaritra loza toy ny hoe mianjera. DH: "ny fikasany ihany no hitondra azy ho any amin'ny loza" # Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty velam-pandrika iray izy "Ny tongony ihany no hitondra azy ho ao anaty harato" Mampiasa io sarin-teny io i Bildada mba hilazana fa ny lalana hiainan'ny olona ratsy fanahy ny fiainany dia hitondra azy ho any amin'ny loza tsy ampoizina. DH: "Ho toy ny ny mitondra ny tenany ho ao anaty harato, no hizorany mahitsy mankany amin'ny vela-pandrika" # harato Kofehy na tady izay tenonin'ny olona mba hahazoana harato. Ampiasain'ny olona mba hisamborana biby ny harato. # vela-pandrika lavaka izay saromana rantsan-kazo sy ravin-kazo eo amboniny ka handeha eo ambon'ireo rantsana sy ravina ny biby iray ka dia ho latsaka ao anatin'ilay lavaka