plt_tn/sng/07/07.md

966 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Soritsoritan'ilay tia izay hataony amin'ilay tiany.

Ny tsangananao dia tahaka ny an'ny palma

"Mitsangana tahaka ny hazo palma ianao." Lava ilay tovovavy, mijoro mahitsy, ary manintona tahaka ny palma.

palma

hazo lava, mahitsy izay mamokatra voa mamy, volontany, ary mampitsiriritra izay miaraka maniry betsaka izany

ny nononao dia tahaka ny sampahom-boankazo

Maniry be tokoa ny daty amin'ny hazo palma ary misy fehezana tsara tarehy izay mihantona avy eny amin'ny hazo izany.

Te hananika...ireo rantsany

Te hihazona ilay vehivavy ilay lehilahy.

Aoka ireo nononao ho tahaka ireo sampahom-boaloboka

Te hikasika ny nonony izay mafy nefa malefaka tahaka ny voaloboka izay feno ranony ilay lehilahy.

aoka ny fameroveron'ny oronao ho tahaka ny paiso

"ho manitra tsara tahaka ny paiso anie ny fofonaina avy amin'ny oronao."

paiso

Ny teny hoe "paiso'' dia manondro voankazo hohanina, miloko mavo, sy mamy.