# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Soritsoritan'ilay tia izay hataony amin'ilay tiany. # Ny tsangananao dia tahaka ny an'ny palma "Mitsangana tahaka ny hazo palma ianao." Lava ilay tovovavy, mijoro mahitsy, ary manintona tahaka ny palma. # palma hazo lava, mahitsy izay mamokatra voa mamy, volontany, ary mampitsiriritra izay miaraka maniry betsaka izany # ny nononao dia tahaka ny sampahom-boankazo Maniry be tokoa ny daty amin'ny hazo palma ary misy fehezana tsara tarehy izay mihantona avy eny amin'ny hazo izany. # Te hananika...ireo rantsany Te hihazona ilay vehivavy ilay lehilahy. # Aoka ireo nononao ho tahaka ireo sampahom-boaloboka Te hikasika ny nonony izay mafy nefa malefaka tahaka ny voaloboka izay feno ranony ilay lehilahy. # aoka ny fameroveron'ny oronao ho tahaka ny paiso "ho manitra tsara tahaka ny paiso anie ny fofonaina avy amin'ny oronao." # paiso Ny teny hoe "paiso'' dia manondro voankazo hohanina, miloko mavo, sy mamy.