plt_tn/sng/07/03.md

905 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy manoritsoritra ilay tiany ny malalan'ilay tovovavy.

Ireo nononao roa dia tahaka ny zanaka serfa roa, gazela kambana

Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:4.

Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory

Ampitahain'ilay tia amin'ny tilikambo vita tamin'ny ivory ny vozony.

ivory

vangy fotsy na nifim-biby izay mitovy amin'ny taolana. Mampiasa ivory ny olona mba hanaovana taozavatra sy hanatsarana ireo zavatra.

ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona

DH: "ny masonao dia mazava sy mamiratra tahaka ny dobon-drano ao Hesbona."

Hesbona

Io dia anaran-tanàna atsinanan'ny Reniranon'i Jordana.

Bata Rabima

Io dia anaran-tanàna.

Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona

Ny orony dia lava sy mahitsy tahaka ny tilikambo lava sy mahitsy ihany.

izay mitodika mankany Damaskosy

"izay ahafahan'ny olona mijery mankany Damaskosy"