plt_tn/sng/07/01.md

16 lines
845 B
Markdown

# Endrey ny hatsaran'ny tongotrao ao amin'ny kapanao
Mazava fa nanomboka tao amin'ny 6:13 dia nosoritsoritan'ny malalan'ilay vehivavy toy ny hoe mandihy izy. DH: "Tsara loatra ny tongotrao ao anatin'ny kapanao rehefa mandihy ianao."
# zanaka vavin'andriandahy
Na dia tsy teraka tao anaty fianakaviana mpanjaka aza ilay vehivavy, dia mahatonga azy ho toy ny zanaka vavin'andriandahy ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. DH: "ianao izay manana toetra mendri-kaja" na "ianao izay mihaja."
# Tahaka ny firavaka ny amboam-penao
Ny bikan'ny fen'ilay tovovavy dia tahaka ny vato sarobidy izay nosokirin'ny mpiasa mahay hanana bika lafatra. DH: "Ny amboam-penao dia tsara tahaka ny amboam-piravaka tsara izay nataon'ny mpanao asa tanana mahay."
# fenao
Ny teny hoe "fe" dia manondro ny valahan'ilay tovovavy sy ny tongony izay ambonin'ny lohaliny.