plt_tn/sng/07/01.md

845 B

Endrey ny hatsaran'ny tongotrao ao amin'ny kapanao

Mazava fa nanomboka tao amin'ny 6:13 dia nosoritsoritan'ny malalan'ilay vehivavy toy ny hoe mandihy izy. DH: "Tsara loatra ny tongotrao ao anatin'ny kapanao rehefa mandihy ianao."

zanaka vavin'andriandahy

Na dia tsy teraka tao anaty fianakaviana mpanjaka aza ilay vehivavy, dia mahatonga azy ho toy ny zanaka vavin'andriandahy ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. DH: "ianao izay manana toetra mendri-kaja" na "ianao izay mihaja."

Tahaka ny firavaka ny amboam-penao

Ny bikan'ny fen'ilay tovovavy dia tahaka ny vato sarobidy izay nosokirin'ny mpiasa mahay hanana bika lafatra. DH: "Ny amboam-penao dia tsara tahaka ny amboam-piravaka tsara izay nataon'ny mpanao asa tanana mahay."

fenao

Ny teny hoe "fe" dia manondro ny valahan'ilay tovovavy sy ny tongony izay ambonin'ny lohaliny.