plt_tn/sng/06/10.md

16 lines
930 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Izay nolazain'ireo mpanjakavavy sy ireo vadintsindrano momba ilay tovovavy. Na izany aza, ireo dikan-teny sasany dia mihevitra fa miresaka amin'ity andininy ity ihany koa ny malalan-dravehivavy.
# Iza moa io miseho toy ny mangiran-dratsy
Mampiasa io fanontaniana io izy ireo mba hilazana fa heverin'izy ireo ho mahavariana ilay tovovavy. DH: "Tovovavy mahavariana ity! Avy tahaka ny fijery ny mangiran-dratsy izy."
# miseho toy ny mangiran-dratsy
DH: "tonga tamin'ny endrika tahaka ny mangiran-dratsy izy." Mampiasa io sarinteny io ny tia mba hilazana fa tsara sy be voninahitra tahaka ny mangiran-dratsy vao manomboka misandratra ilay vehivavy.
# mampisy aingam-panahy toy ny tafika miaraka amin'ny fanevany
Tena mahery ny hatsaran'ilay vehivavy ka mahatonga ireo vehivavy hafa ho tsy afa-manoatra, tahaka ny tafika manatona azy ireo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:4.