plt_tn/sng/06/10.md

930 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Izay nolazain'ireo mpanjakavavy sy ireo vadintsindrano momba ilay tovovavy. Na izany aza, ireo dikan-teny sasany dia mihevitra fa miresaka amin'ity andininy ity ihany koa ny malalan-dravehivavy.

Iza moa io miseho toy ny mangiran-dratsy

Mampiasa io fanontaniana io izy ireo mba hilazana fa heverin'izy ireo ho mahavariana ilay tovovavy. DH: "Tovovavy mahavariana ity! Avy tahaka ny fijery ny mangiran-dratsy izy."

miseho toy ny mangiran-dratsy

DH: "tonga tamin'ny endrika tahaka ny mangiran-dratsy izy." Mampiasa io sarinteny io ny tia mba hilazana fa tsara sy be voninahitra tahaka ny mangiran-dratsy vao manomboka misandratra ilay vehivavy.

mampisy aingam-panahy toy ny tafika miaraka amin'ny fanevany

Tena mahery ny hatsaran'ilay vehivavy ka mahatonga ireo vehivavy hafa ho tsy afa-manoatra, tahaka ny tafika manatona azy ireo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:4.