plt_tn/sng/03/06.md

40 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manomboka eto ny Fizarana Fahatelon'ny Boky
# Inona ireny miakatra avy amin'ny tany efitra
Mandeha avy any an'efitra ho any Jerosalema ny vondron'olona. Satria iva noho ny lohasahan'i Jordana ny tany efitra ary avo eo amin'ireo tendrombohitra i Jerosalema, dia tsy maintsy miakatra mba hahatongavana any Jerosalema ny olona.
# toy ny andrin-tsetroka
Satria namovoka be teny amin'ny rivotra ny olona rehefa nandeha, dia toy ny setroka ny vovoka rehefa jerena lavitra. DH: "miaraka amin'ny andian-tsetroka miakatra."
# manim-pofona miora sy ditin-kazo manitra
DH: "manodidina izany ny fofona tsaran'ny setroky ny miora sy ny ditin-kazo manitra."
# miaraka amin'ireo vovoka rehetra amidin'ireo mpivarotra
DH: "ary ny ny fofona tsaran'ny setroky ny vovoka rehetra izay amidin'ireo mpivarotra."
# vovoka
vovoka madinika nopotipotehana avy tamin'ny zavatra mafy
# Indro
Io teny io eto dia maneho fa efa fantatrin'ny mpiteny ny valin'ny fanontaniana ao amin'ny andininy faha-6.
# fandriana
Io dia manondro ny fandriana misy rakotrany izay azo lanjaina avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa.
# mpiady enimpolo no manodidina izany; dia ireo miaramila enimpolon'Israely.
Ireo andianteny roa ireo dia manondro ireo olona enimpolo ihany. Ilay andianteny faharoa dia manazava fa ireo "mpiady" dia "ireo miaramilan'i Israely."
# mpiady
lehilahy izay miady