# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manomboka eto ny Fizarana Fahatelon'ny Boky # Inona ireny miakatra avy amin'ny tany efitra Mandeha avy any an'efitra ho any Jerosalema ny vondron'olona. Satria iva noho ny lohasahan'i Jordana ny tany efitra ary avo eo amin'ireo tendrombohitra i Jerosalema, dia tsy maintsy miakatra mba hahatongavana any Jerosalema ny olona. # toy ny andrin-tsetroka Satria namovoka be teny amin'ny rivotra ny olona rehefa nandeha, dia toy ny setroka ny vovoka rehefa jerena lavitra. DH: "miaraka amin'ny andian-tsetroka miakatra." # manim-pofona miora sy ditin-kazo manitra DH: "manodidina izany ny fofona tsaran'ny setroky ny miora sy ny ditin-kazo manitra." # miaraka amin'ireo vovoka rehetra amidin'ireo mpivarotra DH: "ary ny ny fofona tsaran'ny setroky ny vovoka rehetra izay amidin'ireo mpivarotra." # vovoka vovoka madinika nopotipotehana avy tamin'ny zavatra mafy # Indro Io teny io eto dia maneho fa efa fantatrin'ny mpiteny ny valin'ny fanontaniana ao amin'ny andininy faha-6. # fandriana Io dia manondro ny fandriana misy rakotrany izay azo lanjaina avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa. # mpiady enimpolo no manodidina izany; dia ireo miaramila enimpolon'Israely. Ireo andianteny roa ireo dia manondro ireo olona enimpolo ihany. Ilay andianteny faharoa dia manazava fa ireo "mpiady" dia "ireo miaramilan'i Israely." # mpiady lehilahy izay miady