plt_tn/rom/15/20.md

1.1 KiB

Amin'izany, ny faniriako dia ny hitory ny filazantsara, fa tsy any amin'izay ahafantarana an'i Kristy amin'ny anarana

Te hitory amin'ny olona izay mbola tsy nahare an'i Kristy mihitsy i Paoly. DH: "Noho izany, te hitory ny vaovao mahafaly eo amin'ny toerana izay mbola tsy naharenesan'ny olona an'i Kristy mihitsy aho"

mba tsy hanorenako eo amin'izay efa nanorenan'ny hafa

Miresaka ny asa fanompoany ho toy ny mangana trano eo amin'ny fototra i Paoly. DH: "mba tsy hanohizako ny asa izay efa asa natomboky ny hafa fotsiny. Tsy tiako ny ho tahaka ny olona izay manangana trano eo ambonin'ny fototra nataon'olon-kafa"

Izany dia araka ny voasoratra hoe

Eto Paoly dia milaza izay nosoratan'Isaia ao amin'ny soratra masina. Afaka atao mazava kokoa izany ao amin'ny fandikan-teninao. DH: "Ny zavatra mitranga dia mitovy amin'izay nosoratan'i Isaia tao amin'ny soratra masina"

Tamin'ireo izay tsy nilazana Azy no hahita Azy

Eto Paoly dia miresaka ny amin'ny hafatra momba an'i Kristy ho toy ny velona ary afaka mihetsika amin'ny tenany ihany. DH: "Ireo izay mbola tsy nisy niresaka ny vaovao momba Azy"