plt_tn/rom/14/20.md

990 B

Aza simbaina nohon' ny amin'ny sakafo ny asan'Andriamantra

Afaka azavaina araka ny heviny feno izany. DH: "Aza foanana izay nataon'Andriamanitra ho an'ireo namana Kristiana satria te hihinana sakafo na karazana sakafo hafa fotsiny ianareo"

fa ratsy ho an'ny olona izay mihinana azy ary mahatonga azy ho tafintohina

Eto izay rehetra "mahatonga azy ho tafintohina'' dia midika hoe mahatonga ny rahalahy malemy hanao zavatra izay mifanohitra amin'ny eritreriny. DH: "fa ho fahotana ho an'ny olona iray ny fihinanana sakafo, izay heverin'ny rahalahy hafa ho fahadisoana, raha amin'ny fihinanana izany no mahatonga ny rahalahy malemy hanao zavatra mifanohitra amin'ny feon'ny fieritreretany"

Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny zavatra rehetra izay mety hanafintohina ny rahalahinao

"tsara kokoa ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao zavatra hafa izay mety hahatonga ny rahalahinao hanota"

rahalahy

izany dia ilazana ireo namana Kristiana, na lahy na vavy.