plt_tn/rom/14/14.md

1.3 KiB

Mahafantatra aho ary resy lahatra ao amin'ny Tompo Jesosy

Eto ny teny hoe "mahafantatra" sy "resy lahatra" dia mitovy hevitra ihany; ampiasain'i Paoly ireo mba hanindriana ny fahazoany antoka. DH: "Azoko antoka noho ny fifandraisako amin'ny Tompo Jesosy"

tsy misy tsy madio amin'ny tenany

Afaka adika hoe DH: "madio amin'ny tenany avokoa ny zava-drehetra"

amin'ny tenany

"araka ny toetrany" na "nohon'ny maha-izy azy"

Fa ho an'izay mandray na inona na inona ho tsy madio ihany, dia tsy madio izany ho azy

Mandroso hevitra i Paoly eto fa ny olona dia tokony hiala lavitra an'ireo zavatra izay eritreretiny ho tsy madio. Afaka hazavainao ao amin'ny fandikan-teninao izany. DH: "Fa raha misy olona mihevitra ny zavatra iray ho tsy madio, dia tsy madio ho an'ilay olona izany ary tokony hiala lavitra izany izy''

Satria raha malahelo noho ny amin'ny sakafo ny rahalahinao

"fa raha manimba ny finoan'ny Kristiana namanao nohon'ny resaka hanina ianao." Eto ny ny mpisolo tena tampisaka "-nao" dia maneho ireo izay mahery amin'ny finoana ary ny teny "rahalahy" dia maneho ireo izay malemy amin'ny finoana.

rahalahy

Eto izany dia midika hoe namana Kristiana, na lahy na vavy.

tsy mandeha am-pitiavana intsony ianao

Resahin'i Paoly toy ny hoe fandehanana ny toetran'ireo mpino. DH: "Ary tsy mampiseho fitiavana intsony ianao"