plt_tn/rom/14/10.md

1.2 KiB

Fa ianao, nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary ianao, nahoana ianao no mankahala ny rahalahinao?

Amin'ny fampiasana izany fanontaniana izany, Paoly dia manasongadina ny amin'ny mety hibedesany ny mpamakiny tsirairay. DH: "fahadisoana aminao ny mitsara ny rahalahinao, ary fahadisoana aminao ny manao tsinontsinona ny rahalahinao!" na ''atsaharo ny fitsarana sy ny fanaovana tsinontsinona ny rahalahinao!"

rahalahy

Izany dia ilzana ireo Kristiana namana, na lahy na vavy.

Fa isika rehetra dia mbola hijoro ho tsaraina eo anatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra

Ny "seza fitsarana" dia maneho ny fahefan'Andrimanitra hitsara. DH: "Fa Andriamanitra dia hitsara antsika rehetra"

Fa efa voasoratra hoe

Afaka adika hoe DH: "Fa nisy nanoratra tao amin'ny Soratra Masina"

Raha mbola velona koa Aho

Nampiasaina ireo teny ireo mba hanombohana fianianana na voady. DH: "Afaka mahazo antoka ianao fa marina izany"

dia hiforitra eo anatrehako ny lohalika rehetra, ary ny lela rehetra dia hidera an'Andriamanitra

Mampiasa ny teny hoe "lohalika" sy "lela" i Paoly mba hilazana ny maha-olona manontolo. Ary koa, ny Tompo dia mampiasa ny teny hoe "Andriamanitra" mba hilazana ny tenany. DH: "Ny olona rehetra dia hiakohoka sy hanome fiderana ho Ahy"