# Fa ianao, nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary ianao, nahoana ianao no mankahala ny rahalahinao? Amin'ny fampiasana izany fanontaniana izany, Paoly dia manasongadina ny amin'ny mety hibedesany ny mpamakiny tsirairay. DH: "fahadisoana aminao ny mitsara ny rahalahinao, ary fahadisoana aminao ny manao tsinontsinona ny rahalahinao!" na ''atsaharo ny fitsarana sy ny fanaovana tsinontsinona ny rahalahinao!" # rahalahy Izany dia ilzana ireo Kristiana namana, na lahy na vavy. # Fa isika rehetra dia mbola hijoro ho tsaraina eo anatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra Ny "seza fitsarana" dia maneho ny fahefan'Andrimanitra hitsara. DH: "Fa Andriamanitra dia hitsara antsika rehetra" # Fa efa voasoratra hoe Afaka adika hoe DH: "Fa nisy nanoratra tao amin'ny Soratra Masina" # Raha mbola velona koa Aho Nampiasaina ireo teny ireo mba hanombohana fianianana na voady. DH: "Afaka mahazo antoka ianao fa marina izany" # dia hiforitra eo anatrehako ny lohalika rehetra, ary ny lela rehetra dia hidera an'Andriamanitra Mampiasa ny teny hoe "lohalika" sy "lela" i Paoly mba hilazana ny maha-olona manontolo. Ary koa, ny Tompo dia mampiasa ny teny hoe "Andriamanitra" mba hilazana ny tenany. DH: "Ny olona rehetra dia hiakohoka sy hanome fiderana ho Ahy"