plt_tn/rom/12/06.md

877 B

Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika araka ny fahasoavana izay nomena antsika

Resahin'i Paoly toy ny hoe fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny fahaiza-manaon'ireo mpino. Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra nanome fahafahana manao zavatra maro samihafa maimaimpoana ho an'ny tsirairay amintsika mba ho Azy"

dia aoka atao araka ny haben'ny finoana

Ireo mety ho dikany dia 1) Aoka Izy hiteny teny faminaniana izay tsy hihoatra finoana izay nomen'Andriamanitra antsika" na 2) " Aoka Izy hiteny teny faminaniana izay mifanaraka amin'ny fampianaran'ny finoantsika.''

Raha fanomezana no fanomezam-pahasoavan'ny iray

Eto ny "fanomezana" dia ilazana ny fanomezana vola sy zavatra hafa ho an'ny olona. Afaka hazavaina izany ao amin'ny fandikan-teninao. DH: "raha misy iray manana fanomezam-pahasoavana hanome vola na zavatra hafa ho anatin'ny tsy fahampiana"