plt_tn/rom/11/28.md

1.2 KiB

Amin'ny lafiny iray ... Amin'ny lafiny iray hafa

Ireo teny ireo dia mampitaha hevitra roa samy hafa. Mampiasa ireo fehezanteny ireo i Paoly mba hanazavana fa Andriamanitra dia nandà ireo Jiosy, nefa Izy dia tia azy ireo ihany koa.

mahakasika ny filazantsara

Afaka hazavaina ihany koa fa Andriamanitra nandray ireo Jiosy tahk ny fahavalo satria izy ireo dia nandà an'i Jesosy. DH: "satria ireo Jiosy nandà ny vaovao mahafaly momban'i Kristy"

fahavalo izy ireo nohon'ny aminareo

Ny fitiavan'Andriamanitra ireo Jentilisa dia lehibe tokoa hany toa toy ny hoe fankahalana ny fitiavany ireo Jiosy raha ampitahaina.

malala izy ireo noho ireo razana

Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra nitia azy ireo hatrany noho izay nampanantenainy ho atao ho an'ny taranak'izy ireo"

Fa ireo fanomezana sy antson'Andriamanitra dia tsy miova.

Miresaka ny fitahiana ara-panahy sy ara-nofo izay nampanantenain'Andriamanitra homena ny olony ho toy ny fanomezana i Paoly. Ny antson'Andriamanitra entina ilazana fa niantso ireo Jiosy mba ho olony Andriamanitra. DH: "Fa Andriamanitra dia tsy mba niova hevitra ny amin'izay nampanantenainy homena azy ireo, sy ny amin'izay niantsoany azy ireo ho olony"