plt_tn/rom/08/23.md

16 lines
1.2 KiB
Markdown

# izay manana ny voaloham-bokatrin'ny Fanahy
Mampitaha ireo mpino nandray ny Fanahy Masina amin'ny voaloham-bokatra ary legioma amin'ny fotoam-pamokarana i Paoly. Izany dia teny fanamafisana fa ny Fanahy Masina dia fanombohana amin'ny izay homen'Andriamanitra ireo mpino ihany.
# miandry ny fananganana antsika ho zanaka, ny fanavotana ny tenantsika
Eto ny teny hoe "fananganana antsika" dia midika hoe: rehefa tonga ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra tanteraka isika, toy ny zaza natsangana. Ny teny hoe "fanavotana" dia midika hoe: rehefa mamonjy antsika Andriamanitra. DH: "miandry ny fotoana hahatongavantsika ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra tanteraka sy hanavotany ny tenantsika amin'ny fahalòvana sy fahafatesana"
# Fa tamin'izany toky izany no namonjena antsika
Afaka adika hoe DH: "Fa Andriamanitra namonjy antsika satria isika dia matoky Azy"
# Fa izay atokisantsika fa hitranga dia mbola tsy hita, fa iza no miandry am-patokiana izay efa hitany?
Mampiasa fanontaniana i Paoly eto mba hanampiana ny mpamaky hahazo ny teny hoe "fatokiana." DH: "Fa raha miandry am-patokiana isika, dia midika izany fa tsy mbola manana izay zavatra iriantsika isika. Tsy misy olona afaka miandry am-patokiana raha efa nanana izay zavatra iriany izy"