plt_tn/rom/08/23.md

1.2 KiB

izay manana ny voaloham-bokatrin'ny Fanahy

Mampitaha ireo mpino nandray ny Fanahy Masina amin'ny voaloham-bokatra ary legioma amin'ny fotoam-pamokarana i Paoly. Izany dia teny fanamafisana fa ny Fanahy Masina dia fanombohana amin'ny izay homen'Andriamanitra ireo mpino ihany.

miandry ny fananganana antsika ho zanaka, ny fanavotana ny tenantsika

Eto ny teny hoe "fananganana antsika" dia midika hoe: rehefa tonga ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra tanteraka isika, toy ny zaza natsangana. Ny teny hoe "fanavotana" dia midika hoe: rehefa mamonjy antsika Andriamanitra. DH: "miandry ny fotoana hahatongavantsika ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra tanteraka sy hanavotany ny tenantsika amin'ny fahalòvana sy fahafatesana"

Fa tamin'izany toky izany no namonjena antsika

Afaka adika hoe DH: "Fa Andriamanitra namonjy antsika satria isika dia matoky Azy"

Fa izay atokisantsika fa hitranga dia mbola tsy hita, fa iza no miandry am-patokiana izay efa hitany?

Mampiasa fanontaniana i Paoly eto mba hanampiana ny mpamaky hahazo ny teny hoe "fatokiana." DH: "Fa raha miandry am-patokiana isika, dia midika izany fa tsy mbola manana izay zavatra iriantsika isika. Tsy misy olona afaka miandry am-patokiana raha efa nanana izay zavatra iriany izy"