plt_tn/rom/08/20.md

1.2 KiB

Fa ny voahary dia natao ho zava-poana

Afaka adika hoe DH: "Fa Andriamanitra no nahatonga izay nohariany ho tsy afaka manatanteraka izay noeritreretiny"

tsy noho ny sitrapony manokana, fa noho Ilay nanao izany

Eto Paoly dia mamaritra ny "famoronana" ho toy ny olona izay afaka maniry. DH: "Tsy hoe izany no tian'ireo zavatra noharina, fa satria izany no tian'Andriamanitra''

Izany dia ao amin'ilay toky nomena fa ireo voahary mihitsy no ho afahana

Afaka adika hoe DH: "Fa fantatr'Andriamanitra fa hamonjy ny voahary Izy"

amin'ny fanandevozan'ny fahalòvana

Paoly dia miresaka momba ny maha tsy misy ilana azy ny zavatra voakasiky ny fahotana ho toy ny hoe faty miha-lo. Avy eo izy dia miresaka momba ny zavatra rehetra izay miaina izany ho toy ny andevon'ny tompo iray. DH: "amin'ny fahalòvana sy fahafatesana"

amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra

"ary hanafaka azy ireo rehefa manome voninahitra ireo zanany Izy"

Fa fantatsika fa ny voahary rehetra dia miara-misento sy miara-miasa amin'ny fanaintainana na ankehitriny aza

Oharina amin'ny vehivavy mitaraina rehefa miteraka ny voahary. DH: "Fa fantatsika fa ny zava-drehetra zay noharian'Andriamanitra dia maniry ny ho afaka ary misento tahaka ny vehivavy miteraka"