plt_tn/rom/06/19.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Miteny tahaka ny olona aho
"Eto dia mampiasa ny ohatra avy amin'ny andavanandro aho"
# noho ny fahalemen'ny nofonareo
Mampiasa matetika ny teny hoe "nofo" hifanohitra amin'ny "fanahy"i Paoly. DH: "satria ianareo tsy mahatakatra tanteraka ireo zavatra ara-panahy"
# nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy
Eto ny teny hoe "ratsam-batana" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "nanolotra ny tenanareo ho andevon'ny zava-drehetra izay ratsy sady tsy mahafaly an'Andriamanitra"
# atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batanareo
Eto ny teny hoe "ratsam-batana" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "atolory ho andevon'izay marina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenanareo mba hanokanany anareo ary hanomezany anareo hery hanompo Azy"
# Amin'izao, inona ary no vokatra azonareo tamin'ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny?
Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanindriana fa ny fahotana dia miafara amin'ny zavatra ratsy. DH: "Tsy nahazo na inona na inona tamin'ny fanaovana ireo zavatra izay nahamenatra anareo ianareo "