plt_tn/rom/06/19.md

1.1 KiB

Miteny tahaka ny olona aho

"Eto dia mampiasa ny ohatra avy amin'ny andavanandro aho"

noho ny fahalemen'ny nofonareo

Mampiasa matetika ny teny hoe "nofo" hifanohitra amin'ny "fanahy"i Paoly. DH: "satria ianareo tsy mahatakatra tanteraka ireo zavatra ara-panahy"

nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy

Eto ny teny hoe "ratsam-batana" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "nanolotra ny tenanareo ho andevon'ny zava-drehetra izay ratsy sady tsy mahafaly an'Andriamanitra"

atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batanareo

Eto ny teny hoe "ratsam-batana" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "atolory ho andevon'izay marina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenanareo mba hanokanany anareo ary hanomezany anareo hery hanompo Azy"

Amin'izao, inona ary no vokatra azonareo tamin'ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanindriana fa ny fahotana dia miafara amin'ny zavatra ratsy. DH: "Tsy nahazo na inona na inona tamin'ny fanaovana ireo zavatra izay nahamenatra anareo ianareo "