plt_tn/rom/06/12.md

2.2 KiB

Fampifandraisana foto-kevitra:

Mampatsiahy antsika i Paoly fa ny fahasoavana no manapaka eo amintsika, fa tsy lalàna; isika dia tsy andevon'ny fahotana, fa andevon'Andriamanitra.

aza avela hanjaka ny ota ... Aza avela hanjaka aminareo ny ota

Paoly dia mamaritra ny fahotana ho toy ny mpanjakan'ny olona na tompo.

tenanareo mety maty

Io teny io dia maneho ny ratsam-batan'ny olona, izay ho faty. DH: "ianareo"

mba hanarahanareo ny filàn-dratsy

Amin'ny maha-topmo azy, dia tian'ny "fahotana" ireo mpanota mba hankatoa ireo didiny hampanao zava-dratsy.

Aza atolotra ho an'ny fahotana ny tenanareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarinana

Ny kisarisary eto dia fanoloran'ny mpanota ny "ratsam-batany" ho an'ny tompony na mpanjakany. Ny "ratsam-batany" dia teny ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "Aza atolotra ho an'ny fahotana ny tenanareo mba anaovanareo izay tsy marina''

Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin'ny maty izay velona ankehitriny

Eto ny teny hoe "izay velona ankehitriny" dia maneho ny fiainam-panahy vaovaon'ny mpino. DH: "Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, satria nanolotra fiainam-panahy vaovao ho anareo Izy"

atolory ho an'Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin'ny fahamarinana

Eto ny teny hoe "ratsam-batanareo" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "avelao Andriamanitra hampiasa anareo amin'izay mahafaly Azy"

Aza avela hanjaka aminareo ny ota

Ataon'i Paoly toy ny hoe mpanjaka izay manapaka eo amin'ny olona ny "fahotana" eto. DH: "Aza avela hifehy izay ataonareo ny filan'ny ota" na "Aza avela hanao ireo zavatra feno fahotana tianareo hatao ny tenanareo"

Satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo

Ny eo "ambanin'ny lalàna" dia midika fanekena ireo fetrany sy ireo fahalemeny. Afaka adika hoe DH: "Fa tsy voafatotry ny lalàn'i Mosesy intsony, izay tsy afaka nanome hery anareo hitsahatra hanota"

fa ambanin'ny fahasoavana

Ny eo "ambanin'ny fahasoavana" dia midika fa ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana dia manome ny hery hialana amin'ny fahotana. DH: "fa ianareo dia voafatotry ny fahasoavan'Andriamanitra, izay manome anareo hery hitsahatra amin'ny fahotana"