plt_tn/rom/06/12.md

40 lines
2.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana foto-kevitra:
Mampatsiahy antsika i Paoly fa ny fahasoavana no manapaka eo amintsika, fa tsy lalàna; isika dia tsy andevon'ny fahotana, fa andevon'Andriamanitra.
# aza avela hanjaka ny ota ... Aza avela hanjaka aminareo ny ota
Paoly dia mamaritra ny fahotana ho toy ny mpanjakan'ny olona na tompo.
# tenanareo mety maty
Io teny io dia maneho ny ratsam-batan'ny olona, izay ho faty. DH: "ianareo"
# mba hanarahanareo ny filàn-dratsy
Amin'ny maha-topmo azy, dia tian'ny "fahotana" ireo mpanota mba hankatoa ireo didiny hampanao zava-dratsy.
# Aza atolotra ho an'ny fahotana ny tenanareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarinana
Ny kisarisary eto dia fanoloran'ny mpanota ny "ratsam-batany" ho an'ny tompony na mpanjakany. Ny "ratsam-batany" dia teny ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "Aza atolotra ho an'ny fahotana ny tenanareo mba anaovanareo izay tsy marina''
# Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin'ny maty izay velona ankehitriny
Eto ny teny hoe "izay velona ankehitriny" dia maneho ny fiainam-panahy vaovaon'ny mpino. DH: "Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, satria nanolotra fiainam-panahy vaovao ho anareo Izy"
# atolory ho an'Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin'ny fahamarinana
Eto ny teny hoe "ratsam-batanareo" dia ilazana ny maha-olona manontolo. DH: "avelao Andriamanitra hampiasa anareo amin'izay mahafaly Azy"
# Aza avela hanjaka aminareo ny ota
Ataon'i Paoly toy ny hoe mpanjaka izay manapaka eo amin'ny olona ny "fahotana" eto. DH: "Aza avela hifehy izay ataonareo ny filan'ny ota" na "Aza avela hanao ireo zavatra feno fahotana tianareo hatao ny tenanareo"
# Satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo
Ny eo "ambanin'ny lalàna" dia midika fanekena ireo fetrany sy ireo fahalemeny. Afaka adika hoe DH: "Fa tsy voafatotry ny lalàn'i Mosesy intsony, izay tsy afaka nanome hery anareo hitsahatra hanota"
# fa ambanin'ny fahasoavana
Ny eo "ambanin'ny fahasoavana" dia midika fa ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana dia manome ny hery hialana amin'ny fahotana. DH: "fa ianareo dia voafatotry ny fahasoavan'Andriamanitra, izay manome anareo hery hitsahatra amin'ny fahotana"