forked from WA-Catalog/plt_tn
12 lines
1.2 KiB
Markdown
12 lines
1.2 KiB
Markdown
# Koa, voalevina, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika
|
|
|
|
Eto Paoly dia miresaka momba batisan'ireo mpino amin'ny rano ho toy ny hoe fahafatesana ary fandevenana. DH: "Rehefa misy olona manao batisa antsika, dia toy ny hoe nandevina antsika niaraka tamin'i Kristy tao am-pasana izany olona izany"
|
|
|
|
# toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin'ny fiainam-baovao ihany koa
|
|
|
|
Izany dia mampitaha ny fiainana ara-panahy vaovaon'ny mpino iray amin'ny fahaveloman'i Jesosy ara-nofo indray. Ny fiainana ara-panahy vaovaon'izany mpino izany no mahatonga azy hankatoa an'Andriamanitra. Afaka adika hoe DH: "tahaka ny nameloman'Andriamanitra an'i Jesosy indray taorian'ny nahafatesany, isika koa dia hanana fiainam-panahy vaovao ary hankatoa an'Andriamanitra"
|
|
|
|
# mikambana Aminy amin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin'ny fitsanganany ihany koa.
|
|
|
|
Paoly dia mampitaha ny fifandraisantsika miaraka amin'i Kristy amin'ny fahafatesana. Ireo izay niray tamin'i Kristy tao amin'ny fahafatesana dia hanan-jara amin'ny fitsanganany. Afaka adika hoe DH: "maty niaraka taminy ... nitsangana tamin'ny maty miaraka aminy"
|