plt_tn/rom/06/04.md

1.2 KiB

Koa, voalevina, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika

Eto Paoly dia miresaka momba batisan'ireo mpino amin'ny rano ho toy ny hoe fahafatesana ary fandevenana. DH: "Rehefa misy olona manao batisa antsika, dia toy ny hoe nandevina antsika niaraka tamin'i Kristy tao am-pasana izany olona izany"

toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin'ny fiainam-baovao ihany koa

Izany dia mampitaha ny fiainana ara-panahy vaovaon'ny mpino iray amin'ny fahaveloman'i Jesosy ara-nofo indray. Ny fiainana ara-panahy vaovaon'izany mpino izany no mahatonga azy hankatoa an'Andriamanitra. Afaka adika hoe DH: "tahaka ny nameloman'Andriamanitra an'i Jesosy indray taorian'ny nahafatesany, isika koa dia hanana fiainam-panahy vaovao ary hankatoa an'Andriamanitra"

mikambana Aminy amin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin'ny fitsanganany ihany koa.

Paoly dia mampitaha ny fifandraisantsika miaraka amin'i Kristy amin'ny fahafatesana. Ireo izay niray tamin'i Kristy tao amin'ny fahafatesana dia hanan-jara amin'ny fitsanganany. Afaka adika hoe DH: "maty niaraka taminy ... nitsangana tamin'ny maty miaraka aminy"