plt_tn/rom/03/21.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny teny hoe "fa" dia mampiseho fa feno ny fampidiran'i Paoly ary manomboka milaza ny tena heviny amin'izay izy.

Ankehitriny

Ny teny hoe "ankehitriny" dia maneho ny fotoana nanomboka tamin'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany.

nampahafantarina ihany koa ny fahamarinan' Andriamanitra tsy amin'ny lalàna

Afaka adika hoe DH: "Nampahafantatra fomba hahatonga antsika ho marina eo aminy tsy amin'ny fankatoavana ny lalàna Andriamanitra"

Noporofoin'ny lalàna sy ireo mpaminany

Ny teny hoe "ny lalàna sy ireo mpaminany" dia milaza ireo ampahan'ny Soratra masina izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany tao amin'ny soratra masin'ny Jiosy. Eto i Paoly dia mamaritra azy ireo ho toy ny olona mijoro vavolombelona any amin'ny fitsarana. Afaka adika hoe DH: "Izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany dia manamarina izany"

fahamarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy

Eto ny teny hoe "fahamarinana'' dia midika fahamarinana eo amin'Andriamanitra. DH: "marina eo amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy"

Satria tsy misy fanavahana

Paoly dia milaza tsy mivantana fa eken'Andriamanitra araka ny fomba mitovy ny olona rehetra. DH: "Tsy misy fahasamihafana mihitsy eo amin'ireo Jiosy sy ireo Jentilisa"