plt_tn/rom/03/21.md

24 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ny teny hoe "fa" dia mampiseho fa feno ny fampidiran'i Paoly ary manomboka milaza ny tena heviny amin'izay izy.
# Ankehitriny
Ny teny hoe "ankehitriny" dia maneho ny fotoana nanomboka tamin'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany.
# nampahafantarina ihany koa ny fahamarinan' Andriamanitra tsy amin'ny lalàna
Afaka adika hoe DH: "Nampahafantatra fomba hahatonga antsika ho marina eo aminy tsy amin'ny fankatoavana ny lalàna Andriamanitra"
# Noporofoin'ny lalàna sy ireo mpaminany
Ny teny hoe "ny lalàna sy ireo mpaminany" dia milaza ireo ampahan'ny Soratra masina izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany tao amin'ny soratra masin'ny Jiosy. Eto i Paoly dia mamaritra azy ireo ho toy ny olona mijoro vavolombelona any amin'ny fitsarana. Afaka adika hoe DH: "Izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany dia manamarina izany"
# fahamarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy
Eto ny teny hoe "fahamarinana'' dia midika fahamarinana eo amin'Andriamanitra. DH: "marina eo amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy"
# Satria tsy misy fanavahana
Paoly dia milaza tsy mivantana fa eken'Andriamanitra araka ny fomba mitovy ny olona rehetra. DH: "Tsy misy fahasamihafana mihitsy eo amin'ireo Jiosy sy ireo Jentilisa"