plt_tn/rom/03/19.md

1.1 KiB

fa na inona na inona lazain'ny lalàna, dia miantefa any

Eto i Paoly dia miresaka momba ny lalàna toy ny hoe velona izany ary manana ny feony manokana. DH: "ny zava-drehetra izay lazain'ny lalàna fa tokony ha ataon'ny olona dia ho an'ny" na "ny didy rehetra izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna dia ho an'ny"

ireo izay ambany lalàna

"ireo izay tsy maintsy mankatoa ny lalàna"

mba hahatonga ny vavan'ny tsirairay hangina

Eto ny teny hoe "vava" dia maneho ireo teny izay lazain'ny olona. Afaka adika hoe DH: "mba tsy hisy olona afaka hilaza zavatra azo ekena hiarovana ny tenan'izy ireo"

mba ny izao tontolo izao rehetra ho azo valin'Andriamanitra

Eto ny teny hoe "izao tontolo izao" dia maneho ny olona rehetra izay miaina eo amin'izao tontolo izao. DH: "fa Andriamanitra dia afaka manambara ny rehetra eo amin'izao tontolo izao ho meloka!"

nofo

Eto ny teny hoe "nofo" dia ilazana ny olombelona rehetra.

Fa

Ireo mety ho dikany dia 1) "Noho izany" na 2) " Izany dia satria"

Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hiavian'ny fahalalana ny fahotana.

"rehefa mahalala ny lalàn'Andriamanitra ny olona iray, dia mahatsapa izy fa nanota"