plt_tn/rom/02/28.md

973 B

ivelany

Ilazana ireo fombafomban'ny Jiosy io, toy ny famorana, izay afaka ho hitan'ny olona.

endrika ivelany fotsiny

Io dia ilazana ny fiovana ara-batan'ny lehilahy rehefa misy mamora azy.

nofo

Sarin-teny ilazana ny vatana manontolo io. "vatana"

izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an'ny fo

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny voalohany hoe "izy dia Jiosy ao anaty," dia manazava ny fehezanteny faharoa hoe "ny famorana izay an'ny fo."

anaty

Izany dia maneho ireo soatoavina sy ny fahavitrihan'ny olona rehetra izay novain'Andriamanitra.

an'ny fo

Eto ny teny hoe "fo" dia dia ilazana ny ao anatin'ny olona.

ao amin'ny Fanahy, fa tsy ao amin'ny soratra

Eto ny teny hoe "soratra" dia maneho ny Soratra Masina. DH: "amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina, fa tsy amin'ny fahalalanao ny Soratra Masina"

ao amin'ny Fanahy

Io dia ilazana ny ao anaty, ny ampahany aram-panahin'ny olona izay novain'ny "Fanahin'Andriamanitra."