plt_tn/rom/02/28.md

32 lines
973 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ivelany
Ilazana ireo fombafomban'ny Jiosy io, toy ny famorana, izay afaka ho hitan'ny olona.
# endrika ivelany fotsiny
Io dia ilazana ny fiovana ara-batan'ny lehilahy rehefa misy mamora azy.
# nofo
Sarin-teny ilazana ny vatana manontolo io. "vatana"
# izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an'ny fo
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny voalohany hoe "izy dia Jiosy ao anaty," dia manazava ny fehezanteny faharoa hoe "ny famorana izay an'ny fo."
# anaty
Izany dia maneho ireo soatoavina sy ny fahavitrihan'ny olona rehetra izay novain'Andriamanitra.
# an'ny fo
Eto ny teny hoe "fo" dia dia ilazana ny ao anatin'ny olona.
# ao amin'ny Fanahy, fa tsy ao amin'ny soratra
Eto ny teny hoe "soratra" dia maneho ny Soratra Masina. DH: "amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina, fa tsy amin'ny fahalalanao ny Soratra Masina"
# ao amin'ny Fanahy
Io dia ilazana ny ao anaty, ny ampahany aram-panahin'ny olona izay novain'ny "Fanahin'Andriamanitra."