plt_tn/rom/01/20.md

1.3 KiB

Fa ireo endriny tsy hita maso dia hita nazava tsara

Azavain'i Paoly ny fomba nanehoan'Andriamanitra ny tenany tamin'ny zanak'olombelona. Rehefa mijery ny asa izay noharian'Andriamanitra isika, dia afaka mahatakatra zavatra momba an'Andriamanitra. Afaka adika hoe DH: "Satria rehefa hitantsika ao amin'ny voahary ny asa mahagagan'Andrimanitra, dia manomboka mahatakatra isika hoe toy ny ahoana Andriamanitra"

Izao tontolo izao

Ilazana ny lanitra sy ny tany, ary koa ireo zava-drehetra eo aminy izany.

takatr'izy ireo amin'ny alalan'ny zavatra noforonina.

Azonao adika hoe DH: " Ny olona dia afaka mahatakatra ny momban'Andriamanitra amin'ny fijerena ireo zavatra izay namboariny"

endrik'Andriamanitra

"ny hatsarana sy ny toetran'Andriamanitra rehetra" na "ireo zavatra momba an'Andriamanitra izay maha Andriamanitra Azy"

ireo olona ireo dia tsy nanana fialan-tsiny

"ireo olona ireo dia tsy afaka miteny na oviana na oviana fa tsy nahafantatra"

lasa adala tao an-tsainy izy ireo

Afaka adika hoe DH: "nanomboka nieritreitra zavatra adaladala"

nihamaizina ny fo donton'izy ireo.

Eto ny teny hoe "fahamaizinana" dia sarin-teny izay maneho ny tsy fahampian'ny olona fahalalana. DH: "izy ireo dia nanjary tsy nanana fahafahana ny hahatakatra izay tian'Andriamanitra ho fantatr'izy ireo"