plt_tn/rev/18/01.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Anjely hafa no nidina avy any an-danitra ary niteny. Anjely hafa io fa tsy ilay anjely iray ao amin'ny toko 17, izay miresaka momba an'ilay mpijangajanga sy ilay bibi-dia.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny hoe: "izy" sy "-ny" dia maneho ny tanànan'i Babilona, izay resahina toy ny hoe mpijangajanga.

Nianjera, nianjera ilay Babylona lehibe

Ilay anjely dia niresaka momba an'i Babylona potika toy ny hoe nianjera. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 14:08

vorona marikoriko

"vorona ratsy endrika" na "vorona tsy maha-te ho tia"

ny firenena rehetra

Ny firenena dia hevitra ambadiky ny olona ao amin'ireo firenena. DH: "ny olona amin'ny firenena rehetra"

dia nisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony

Izany dia famantarana ny fandraisana anjara tamin'ny fitondran-tena malotony. DH: "lasa mpijangajanga toa azy" na "lasa mamon'ny fahotana ara-piraisana ara-nofo toa azy"

ny fitondran-tena malotony

Babilona dia resahina toy ny hoe mpijangajanga izay mahatonga ny olona hafa hanota miaraka aminy. Mety misy dikany roa izany: fijangajangana ara-bakiteny ary ihany koa fanompoana andriamanitra sandoka.

tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo

"satria izy dia nandany vola be tamin'ny fijangajangana"