plt_tn/rev/13/09.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ireo andininy ireo dia fiatoana amin'ny fahitan'i Jaona. Eto izy dia manome fampitandremana ny olona izay mamaky ny fitantarany.
# Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino
Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"
# Raha misy nalaina babo
Io fitenenana io dia midika fa efa voatapaka ny hevitra fa alaina ho babo ny olona iray. DH: "Raha mandray fanapahan-kevitra Andriamanitra fa misy olona iray nalaina babo" na "Raha sitrapon'Andriamanitra fa hisy olona iray ho alaina babo"
# Raha misy nalaina babo, dia handeha amin'ny fahababona izy
Afaka atao hoe: "Raha sitrapon'Andriamanitra ho voababon'ireo fahavalony ny olona sasany"
# dia handeha amin'ny fahababona izy
Afaka atao hoe: "ho voasambotra izy" na "ho voasambotry ny fahavalo izy"
# Raha misy novonoina tamin'ny sabatra
Afaka atao hoe: "Raha sitrapon'Andriamanitra ny hamonoan'ny fahavalo amin'ny sabatra ny olona sasany"
# amin'ny sabatra
Ny sabatra dia maneho ady. DH: "ao anatin'ny ady"
# hamonoana azy
Afaka atao hoe: "hamono azy ireo fahavalony"
# Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo izay masina
"Ireo izay masina dia tsy maintsy miaritra sy manam-pinoana"