plt_tn/rev/13/09.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireo andininy ireo dia fiatoana amin'ny fahitan'i Jaona. Eto izy dia manome fampitandremana ny olona izay mamaky ny fitantarany.

Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino

Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"

Raha misy nalaina babo

Io fitenenana io dia midika fa efa voatapaka ny hevitra fa alaina ho babo ny olona iray. DH: "Raha mandray fanapahan-kevitra Andriamanitra fa misy olona iray nalaina babo" na "Raha sitrapon'Andriamanitra fa hisy olona iray ho alaina babo"

Raha misy nalaina babo, dia handeha amin'ny fahababona izy

Afaka atao hoe: "Raha sitrapon'Andriamanitra ho voababon'ireo fahavalony ny olona sasany"

dia handeha amin'ny fahababona izy

Afaka atao hoe: "ho voasambotra izy" na "ho voasambotry ny fahavalo izy"

Raha misy novonoina tamin'ny sabatra

Afaka atao hoe: "Raha sitrapon'Andriamanitra ny hamonoan'ny fahavalo amin'ny sabatra ny olona sasany"

amin'ny sabatra

Ny sabatra dia maneho ady. DH: "ao anatin'ny ady"

hamonoana azy

Afaka atao hoe: "hamono azy ireo fahavalony"

Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo izay masina

"Ireo izay masina dia tsy maintsy miaritra sy manam-pinoana"