plt_tn/rev/13/07.md

945 B

ny fahefana dia nomena azy

Afaka atao hoe: "Andriamanitra dia nanome fahefana an'ilay bibi-dia"

manerana ny foko, ny olona, ny fiteny, ary ny firenena rehetra

Izany dia midika fa ny olona avy amin'ny foko rehetra dia ao anatin'izany. Jereo izay nandikanao ny lisitra ao amin'ny 5:9.

Hiankohoka eo aminy

"Hiankohoka eo amin'ilay biby"

ireo izay tsy voasoratra anarana ... ao amin'ny Bokin'ny Fiainana

Io fehezanteny io dia manazava kokoa hoe iza eto an-tany no miankohoka eo amin'ilay bibi-dia. Afaka atao hoe: "ireo izay tsy nosoratan'ny Zanak'ondry ny anaran'izy ireo ... ao amin'ny Bokin'ny Fiainana"

nandritran'ny famoronana izao tontolo izao

"rehefa namorona an'izao tontolo izao Andriamanitra"

ny Zanak'ondry

Ny " Zanak'ondry" dia ondrilahy kely. Ampiasaina eto izany mba ho marika hanehoana an'i Kristy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 5:6.

izay efa novonoina

Afaka atao hoe: "izay efa novonoin'ny olona"