plt_tn/rev/13/01.md

907 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Jaona dia manomboka mamaritra ilay bibi-dia izay miseho ao amin'ny fahitany. Ny teny hoe "aho" eto dia mamaritra an'i Jaona.

dragona

Biby lehibe, biby mandady masiaka, tahaka ny androngo. Ho an'ny vahoaka Jiosy, dia famantarana an'i Satana sy ny korontana. Voatonona ho "devoly na Satana" ihany koa ny dragona.

Ilay dragona nanome azy ny heriny

Ilay dragona nanao an'ilay bibi-dia ho mahery tahaka azy. Tsy very anefa ny heriny tamin'ny fanomezana izany an'ilay bibi-dia.

ny heriny ... ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe hanapaka

Zavatra telo izay maneho ny fahefany ireo, ary izy ireo miaraka dia manamafy fa lehibe ny fahefany.

ny seza fiandrianany

Ny teny hoe: "ny seza fiandrianana" eto dia maneho ny fahefan'ilay dragona hanapaka tahaka ny mpanjaka. DH: "ny fahefany amin'ny maha-mpanjaka azy" na "ny fahefany hanapaka toy ny mpanjaka"