plt_tn/rev/13/01.md

20 lines
907 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Jaona dia manomboka mamaritra ilay bibi-dia izay miseho ao amin'ny fahitany. Ny teny hoe "aho" eto dia mamaritra an'i Jaona.
# dragona
Biby lehibe, biby mandady masiaka, tahaka ny androngo. Ho an'ny vahoaka Jiosy, dia famantarana an'i Satana sy ny korontana. Voatonona ho "devoly na Satana" ihany koa ny dragona.
# Ilay dragona nanome azy ny heriny
Ilay dragona nanao an'ilay bibi-dia ho mahery tahaka azy. Tsy very anefa ny heriny tamin'ny fanomezana izany an'ilay bibi-dia.
# ny heriny ... ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe hanapaka
Zavatra telo izay maneho ny fahefany ireo, ary izy ireo miaraka dia manamafy fa lehibe ny fahefany.
# ny seza fiandrianany
Ny teny hoe: "ny seza fiandrianana" eto dia maneho ny fahefan'ilay dragona hanapaka tahaka ny mpanjaka. DH: "ny fahefany amin'ny maha-mpanjaka azy" na "ny fahefany hanapaka toy ny mpanjaka"