plt_tn/rev/12/11.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Nanohy niteny ilay feo mafy avy any an-danitra.
# Izy ireo dia naharesy azy
"Izy ireo dia naharesy ilay mpiampanga"
# tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry
Ny rà dia maneho ny fahafatesany. DH: "satria ny zanak'ondry nandatsaka ny ràny ary maty ho azy ireo"
# tamin'ny teny fijoroan'izy ireo vavolombelona
Ny teny hoe: "fijoroana vavolombelona" dia afaka atao matoanteny hoe "mijoro vavolombelona." Ary izay nijoroan'izy ireo vavolombelona ihany koa dia afaka tenenina mazava tsara. DH: "amin'ny alalan'izay tenenin'izy ireo rehefa mijoro vavolombelona amin'ny hafa momba an'i Jesosy izy ireo"
# na dia ho faty aza
Ireo mpino dia nilaza ny marina momba an'i Jesosy, na dia fantatr'izy ireo aza fa ireo fahavalon'izy ireo dia mety hamono azy ireo noho izany. DH: "fa mbola nijoro vavolombelona izy ireo na dia nahafantatra aza fa hahafaty azy ireo izany"
# Feno fahatezerana izy
Ilay devoly dia resahina toy ny hoe daba, ary ny hatezerana dia resahina toy ny hoe zavatra mitsiranoka izay afaka atao ao anatiny. DH: "Tena tezitra mafy izy"